<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Jesosy Kapiteninay
 Izao miantso izao,
 Hiady no ilana anay
 Ka zovy no hanao ?
 Izay mahafy hatratý,
 Mahery fo tokoa
 Ka tsy miraika hatrarý ;
 Ireny no hanao.

[V2]
 Ny tany hotafihinay,
 Izao tontolo izao ;
 Ny tafika hikatrohanay,
 Tsy ady mora atao ;
 Ny ota hotoherinay
 Ho rava sy hikoa.
 Ny tany hitorianay
 Ny herinao tsy toha.

[V3]
 Indreo, ny maritiora soa
 No loha-lalanay,
 Nalatsaka aina avokoa,
 Ka marika aminay ;
 Fandavan-tena lehibe
 No vitan'izy ireo
 Hodian-tsy hita foana ve
 Ireo maritiora ireo ?

[V4]
 Ry Jeso Kapiteninay !
 Izao anio izao,
 No anavaozanay indray
 Ny fanompoana Anao ;
 Atolotray Anao tokoa
 Izao tenanay izao,
 Ka hamasino avokoa
 Hanao ny sitrakao.</lyrics>
<title>Jesosy Kapiteninay, FFPM645</title>
<hymn_number>645</hymn_number>
<author>A. Grety</author>
</song>